Finoana

Filohan’ny FJKM « Tsy atao fitaovana politika ny Fiangonana»


  • Alatsinainy 26 Septambra 2016

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy amin’ny maha Filohan’ny Fiangonana Jesoa Kristy eto Madagasikara azy ny mpitandrina

  Irako Ammi Andriamahazosoa taorian’ny fonompoam-pivavahana notanterahina teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly tolakandro. An’arivony maro ny mpino Fjkm avy amin’ny lafivalon’ny nosy tonga teny Mahamasina ary tena tsy omby ny trano. Tsotra ary mazava ny hafatry ny filohan’ny FJKM ho an’ireo mpino : “Ataovy vontom-pinoana an'i Jesoa Kristy i Madagasikara, Torio am- pitiavana sy am-panetren-tena ary am-pahasahiana i Kristy”. Manoloana ny raharaham-piangonana sy ny raharaham-pirenena izay matetika misy rohy mampifandray azy dia nambaran’ny mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa fa miara-miasa amin’ny rehetra ny FJKM saingy tsy atao fitaovana politika ny fiangonana. Hita teny an-toerana avokoa ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny Fjkm toy ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina, filohan’ny Fjkm teo aloha sy  Marc Ravalomanana filohan’ny Komity mpikarakara ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM . Nisy olom-panjakana ihany koa hita teny an-toerana nandritra ity lanonana ara-pinoana ity, anisan’izany ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, nisolotena ny fitondrana foibe. Olon’ny fifandraisana ny filohan’ny Fjkm vaovao ary mpanoratra ihany koa ankoatra ny maha mpitandrina azy. Malaza ho hentitra fomba fiasa ihany koa anefa izy.


Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT