Finoana

Filohan’ny FFKM Miandrandra firaisankina bebe kokoa


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011


«Miandrandra bebe kokoa ny firaisankina. Rehefa miray hina ny rehetra dia mety ny fiarahamonina, mirindra amin’ny lafiny rehetra», hoy ny Filohan’ny FFKM, sady filoha am-perinasan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, Rasendrahasina Lala Haja Mpitandrina, naneho ny heviny amin’izao ankatoky ny handraisany an-tanana ny fitarihana ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) izao. Ny alahady 23 janoary izao no hatao ny famindram-pitantanana eo aminy sy ny filoha am-perinasa sady filohan’ny Eklesia Episkopaly Malagasy, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona.

Mialoha izay dia hisy seminera manokana hataon’ny FFKM manomboka ny 20 janoary, hitohy ny 21 sy 22 janoary ary fanompoam-pivavahana ekiomenika no mamarana izany ny 23 janoary sady handraisan’ny filoha vaovao, Rasendrahasina Lala ny fitarihana ny FFKM. Hafatra FFKM nivoaka tany Toliara ny volana desambra 2010 lasa iny ny “fanentanana ny kristianina amin’ny fampihavanana». Marihina fa ny Loterana indray no mandray ny fitarihana ny FFKM amin’ny taom-piasana 2012.

Jean D.
 
Sary : Ny mpitandrina Lala Resendrahasina (ankavanana), filohan’ny FJKM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT