Finoana

Filoha vaovaon’ny Jesosy Mamonjy “Efa vita ny fampihavanana, tapitra ny disadisa”


  • Talata 26 Jolay 2022

Nampahafantarina ampahibemaso teny amin’ny foiben’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano ny vokatry ny fifidianana ny filankevim-pitantanana eo anivon’ity fiangonana ity.

Araka ny fitsipi-pifehezan’ny fiangonana dia ny alahady voalohany manaraka ny fivoahan’ny voka-pifidianana no hametrahana ireo biraon’ny filankevitra vaovao ka ny pastera Randrianatoandro Raymond no filoha vaovao, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nisy ny fotoam-pivavahana fifamelan-keloka sy fampihavanana teny an-toerana ny maraina. Ny tolakandro kosa dia nisy fotoam-pivavahana sy fiaraha-mifaly teny amin’ny Espace Le Lion d’or Anosiavaratra niarahan’ireo mpitandrina sy mpino maro ary nasaina manokana tamin’izany ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, izay zanaky ny fiangonana no nanampy betsaka tamin’ny fandaminana. Tao anatin’izany koa moa ny fifanojoan’ny tsingerin-taona nahaterahan’ny filoha vaovao ny faha 23n’ny volana jolay. Nanamafy ny filoha vaovao fa efa vita ny fampihavanana ka hiroso avy hatrany amin’ny fampandehanana ny asan’Andriamanitra ny tenany sy ny biraony. Ny fitoriana ny filazantsara no zava-dehibe fa tapitra hatreo ny disadisa. Nisaorany manokana ny solombavambahoaka Naivo Raholdina fa na teo aza, hoy hatrany ity filoha vaovaon’ny Jesosy Mamonjy ity, ny fanenjehana sy fanaratsiana nahazo azy dia mila mifamela heloka ny samy Kristianina.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT