Filoha vaovaon’ny Fiangonana FMTA

Tafapetraka ofisialy ny Mpitandrina Ravelomanantsoa Herinjato


  • Alatsinainy 11 Novambra 2024

Fotoan-dehibe ho an’ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Foibe sy ny misiona manontolo ny andron’ny omaly 10 novambra 2024. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy io omaly io mantsy ny Filohan’ny Misiona sady mpitandrina eo anivon’ny Foibe FMTA Andranobiriky dia ny Mpitandrina Ravelomanatsoa Herinjato Lovatahiry. Filoha faha-10 hatramin’ny nijoroan’ny FMTA tao anatin’ny 130 taona ny. Efa nirian’ny maro hatry ny ela mba ho tena ny zanaky ny FMTA no hitantana ny misiona, ary io tanteraka io. Mandra-maty ny maha mpitandrina, ka miasa izy araka izay hitondran’Andriamanitra azy, fa ny faniriana moa dia mandra-pahafaty, raha ny fanazavan’Atoa Ralamboarison Marson J. Césard Mpandraharaha eo anivon’ny FMTA Foibe. Ny Mpandray fanasan’ny Tompo ao amin’ny FMTA Foibe no fahefana tampony, ka ireo no nifidy ny Filoha vaovao tamin’ny salan’isa 99% ny 7 aprily 2024. Ny nampiavaka an’ity indray mitoraka ity, dia zanaky ny FMTA, novolavolaina tamin’ny soatoavin’ny FMTA, ka rehefa nahavita ny fianarany izy dia nisafidy azy ny fahefana tampony fa izy no mendrika ny ho Filoha hitondra ny Fiangonana sy ny Misiona iray manontolo, Atoa Ramamison Mamitiana mpandraharaha eo anivon’ny FMTA. Amin’ny maha fiangonana misionary ny FMTA, dia ny fanaparihana ny filazantsara tsy eo amin’ny sahan’ny FMTA Antranobiriky ihany, fa manerana ny Misiona iray manontolo no iraka lehibe, ary tsy ny FMTA ihany fa manerana an’i Madagasikara satria izany no antson’Andriamanitra dia ny fampielezana ny filanzantsara, hoy hatrany ny fanazavana. Manana filoha vaovao isika, nahazo mpanompo isika mba hitarika antsika amin’ny asa fanompoana lehibe izay atao. Ampahatsiahivina fa manana iraka lehibe ny FMTA dia ny hitory filazantsara amin’ny olona rehetra, ka mahatoky sy mino izahay, fa ho tanteraka amintsika tokoa isika rehefa nahazo mpanompo mahery, ka hiara-hiombon’antoka tanteraka aminy, hanatanteraka ny fanompoana ho fampiroboroboana ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany, hoy Atoa Ramamison Mamitiana mpandraharaha eo anivon’ny FMTA Foibe nisolo tena ireo mpino.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT