Filoha vaovaon’ny FFPM

Nandray ny fahefana ny Mpitandrina Zaka Andriamampianina


  • Talata 09 Septambra 2025

Notanterahina teto amin ny Foibe FFPM Vohipiraisana Ambohijatovo Ambony

omaly 8 septambra ny famindram-pahefana teo amin’ny Filohan ny FFPM teo aloha, ny Dr. Irako Ammi Andriamahazosoa, Mpitandrina, izay filohan ny FJKM (Fiangonan ny Jesoa Kristy eto Madagasikara) teo aloha ka nandray ny andraikitra amin’ny maha Filohan ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta na FFPM azy androany i Dr Zaka Hary Masy Andriamanpianina, Mpitandrina, Filohan ny Fiangonan’ny FJKM vaovao. Mandray ny fahefana feno eo amin’ny fitarihana fiangonana sy ny rafitra mifandraika aminy izany ny Filohan’ny FJKM vaovao. Amin’ny lafiny finoana sy ny tontolon’ny fivavahana dia isan’ny zava-dehibe ny làlant-tsain’ny firaisam-pinoana sy ny fiombonana tsy mijanona eo amin’ny FJKM ihany na ilay antsoina hoe : « Oikoumene ». Manana adidy sy toerana amin’ny fiainam-pirenena ihany koa ny fiangonana toy ny fomba fijery mety iraisana amin’ny fotoan-dehibe toy ny fifidianana, krizy sosialy, fanentanana ara-pahasalamana,… ka isan’ny hisian’izany matetika FFKM. Endrika isehoan’izany ireny fanambarana iraisana amin’ny lohahevitra manan-danja: ady amin’ny kolikoly, fiarovana ny tontolo iainana, fandriampahalemana,… ireny. Tahaka izany ihany ohatra ny fampianarana sy fifanakalozana eo amin’ny mpitondra fivavahana sy ny mpino amin’ny fiangonana samihafa,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT