Finoana

Filoha Rajaonarimampianina Nanolotra 10 tapitrisa ho an’ny SPAM


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2016

Nifarana omaly alahady 7 aogositra ny isan-taona faha-125 an’ny Fiangonana Loterana Malagasy, Synodam-paritany Avaratrimania

 

, rehefa nanomboka ny alarobia 3 aogositra. Nanamarika ny andro zoma 5 aogositra ny nandraisana ireo solontenam-panjakana notarihin’ny Senatera Raparison Luc, izay nisolotena ny filohan’ny Repoblika ary ny senatera Ravelomanantsoa Léon avy ao Vakinankaratra no nisolotena ny filohan’ny Antenimierandoholona. Nanolotra vola 10 tapitrisa Ariary ny fitondrana, izay notsinjaraina tamin’ireo sampana rehetra eo anivon’ity synodam-paritany ity, ho fanampiana amin’ny fampandehanan-draharaha. Efa nisy sahady moa ny fangatahana fanampiana ho an’ny isan-taona amin’ny 2017 ka tsy nandà izany ireo solontenam-panjakana, ny senatera Raparison Luc izay nilaza fa hatramin’ny 2018 aza dia mbola hanohana izy ireo, saingy mba mitady ny fanohanan’ny Fiangonana kosa izy ireo amin’ny fotoana ilany izany.

Caius R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT