Finoana

Filankevitry ny Eveka eto Madagasikara Mila fiovam-penitra mahery vaika


  • Zoma 19 Mey 2017

Manamafy izay efa nambarany hatrany mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny ry zareo avy eo anivon’ny filankevitry ny Eveka eto Madagasikara fa tsy mitsahatra mikorosy fahana amin’ny lafiny rehetra ny raharaham-pirenena ankehitriny.

 Efa tsy fanairana intsony no ilaina manoloana ny zava-misy sy ireo habibiana toy ny tany Antsakabary sy Antsirabe ary Antsohihy ireny, hoy ireo Eveka, fa fiovam-penitra mahery vaika mihitsy. Difotry ny lainga sy fitaka ny fiainam-bahoaka ka tsy re intsony ny feon’ny olo-marina. Zary manompo vola koa hatrany amin’ny faratampony. Nanome hafatra ho an’ireo mpitondra fivavahana namany ity filankevitra ity, mba hibebaka ho an’ny firenena. Manahy kosa ny amin’ny fisian’ny famonoana an-kolaka (genocide silencieux) eny anivon’ireo tobim-pitsaboana isan-karazany ny Malagasy izy ireo ka mangataka ireo mpitsabo mba hiaina ny fianianany.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT