Finoana

Fiketrahana Masina Manome lanja manokana ny lafiny maha olona


  • Talata 31 Janoary 2017

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra momba ny tontolo diplomatika ny kardinaly Pietro Parolin tao amin’ny efitrano malalaka «Antsa» tao amin’ny ivontoeran-dry masera Mandrimena Andoharanofotsy omaly.

Tarigetra fototra voizin’ny Fiketrahana Masina ny manome lanja manokana ny lafiny maha olona, indrindra ny fiarovana ny zon’ny marefo amin’ny fanohanana ireo olona mahantra sy tsy misy mpikarakara eo anivon’ny fiarahamonina, hoy ny sekreteram-panjakan’i Vatican. Miditra an-tsehatra hatrany manampy ireo vahoakan’Andriamanitra misedra olana ny Eglizy Katolika Romana amin’ny alalan’ireo iraka na masoivoho monina sy miparitaka manerana izao tontolo izao. Tsy miditra amin’ny fitondrana ny raharaham-panjakana ny fivavahana fa mitsangana kosa ho arofanina moraly sy ara-panahy manoloana ireo tsy rariny amin’ny fitantanana ny fiainam-bahoaka, hoy ny solontenan’ny Papa Ray Masina François. Mifototra amin’ny tanjona lehibe hatrany rahateo ny «Saint-Siège» dia ny miady amin’ny fahantrana, ny mijoro ho mpanelanelana ary ny mampanjaka ny filaminana sy ny fandriampahalemana manerana izao tontolo izao toy ny fandravonana ny korontana tany Korea Avaratra sy Vietnam na koa ny tany Moyen-Orient, hoy ny olo-manankaja laharana faharoa ao Vatikana. 

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT