Nitohy omaly alatsinainy 12 aprily 2010 ny raharaha mikasika ny fakan’ny oniversiten’i Toamasina ny vy be fanaovan-trano fananan’ny sekoly Fjkm Anjoma ao Toamasina.
o an’ny mpino sy ireo laika avy amin’ny fiangonana maro ary ny sakaizan’ny sekoly David Jones dia tsy manaiky ny hikitihana ny fananany izay entina hitaizana sy hanabeazana ny zaza sy ny tanora malagasy izy ireo. Miezaka ny mifandamina miambina ny fananan’ny fiangonana sy ny sekoly izy ireo. Niafara tamin’ny fanaovana sakana amin’ny fidirana ny foiben’ny Fjkm Toamasina mihitsy izany tsy hahafahan’ireo ho tonga haka ny fananam-piangonany, raha ny tsikaritra omaly.
Nisy anefa ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Horace Gatien sy ny prezida synodalin’ny Vavahadin’ny Filazantsara, Rakotonoely Felix, Mpitandrina, tao amin’ny Fjkm Anjoma nandinihana ny mikasika ity raharaha ity. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ny prezida synodaly ka nilaza fa «fananan’ny fiangonana sy ny sekoly Fjkm madiodio ireo vy be ireo araka ny taratasy am-pelatananay, ka tsy homenay anareo Oniversite izany mihitsy». Nomarihany hatrany fa «efa an-dalam-panamboarana azy ireo ny fiangonana sy ny sekoly, fa miandry ny fotoana hanombohan’ny asa fotsiny». Araka ny fanazavana re teo anivon’ny foibe Fjkm aza dia «hitsangana mialoha ny volana jona izao ity trano goavana atambatra fotsiny ity». Ho an’ny oniversiten’i Toamasina, tamin’ny alalan’ny filohany, Horace Gatien kosa dia nanamarika, araka ny fantany fa «volam-panjakana no nividianana sy namoahana ny entana tamin’ny fahatongavany teto Madagasikara, ka masi-mandidy amin’ny nialany vola koa ny fanjakana malagasy. Marina fa amin’ny anarany fiangonana Fjkm ny fananana, fa noho io vola niala tamin’ny fanjakana malagasy io no hakana ny entana hanampiana ny mpianatry ny Oniversite araka ny fandaharam-potoan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita». Tsy nisalasala i Horace Gatien nilaza fa «tsy hanao herisetra amin’ny fikitihana ireo entana ireo izahay fa miandry ny fifampiresahana eo amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny foibe Fjkm ao Antananarivo». Hentitra kosa anefa ny tenany mikasika ilay ambarany fa fikasihan-tanana natao tamin’ireo iraka manokana nalefan’ny oniversite Toamasina sy ny orinasa nalefan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony ny Alakamisy teo, fa «hitory izay nahavita izany izahay».
Ao anatin’izay rehetra izay anefa, dia mifamahofaho ny raharaha, ary betsaka ny vaovao re etsy sy eroa. Araka ny loharanom-baovao fantatra izao, dia tsy mitsahatra mivory ireo tompon’andraikitra misahana ity raharaha ity ao Barikadimy ao, izay misy ilay tovolahy saika niharan’ny hatezeran’ny olona tonga teny Anjoma. Araka io vaovao io ihany dia efa misy fanentanana tanora mpianatra atao ao Barikadimy ao, ka izy ireo no hiara-haka ireo vy be hanaovana ny trano fonenan’ny mpianatra ireo. Efa nametraka barazy goavana sy famefena ny lalana rehetra miditra ny sekoly afa-tsy vavahady tokana ihany, tsy hahafahana maka sy mandroba ny fananany ny mpino sy ny laika ary ny sakaizan’ny sekoly Fjkm David Jones, miandahy miambavy, ary efa maty paika ny fandaminana raha misy ny antsojay atao amin’ny fananany. Andro aman’alina ny fiambenana atao amin’izany.
Mbola tantara mitohy izany ny raharaha fananan’ny fiangonana Fjkm Toamasina. Raha ny zava-misy aloha dia ao antokotanin’ny foibe Fjkm ny entana sy ireo vy be efa ho roa taona izao. Midika izany fa na milaza aza manana ny marina aza ny minisitera, dia tsy afa-manda koa fa manana taratasy ara-dalàna sy manana fahefana amin’ny fananany ny Fjkm.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.