Fikaonandoham-pirenena Kristianina

Nivoaka omaly hariva ny fehinkevitra


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

Nivoaka omaly hariva ny fehinkevitra mikasika

ny fikaonandoham-pirenena Kristianina notontosaina nandritry ny 3 andro tetsy amin’ny ISTS Mandrimena Iavoloha. «Madagasikara ho an’i Kristy, Kristy ho an’i Madagasikara» no vina napetraka tao anatin’izany. Fakankevitra nandraisan’ny fokontany, distrika, kaominina, nasionaly anjara izy ity, hoy ny fanamarihana. Manana ny soatoavina mampiavaka azy ny Kristianina manerana izao tontolo izao. Tanjona iombonana ny fampandrosoana ny firenena malagasy amin’ny alalan’ny fampanjakàna ny fahamarinana, fitiavana, fahavononana, asa tsara. Tsiahivina fa vahoaka Kristianina eto no resaka fa tsy anaram-piangonana na anaram-pivavahana. Fitiavana sy firaisankina, araka izay voasoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny bokin’i Jaona 16 : 21, no tanjona voalohany. Fahavononana hiasa amin’ny fitiavana, araka ny voasoratra ao amin’ny Galatianina 4 no andrasana. Fampandrosoana ny toekarena, politika, sosialy, tontolo iainana mifanaraka ny soatoavina Kristianina, fampandriana fahalemana, fampandrosoana ny fanabeazana, fampiasàna ny tekinolojia amin’ny mahasoa ny firenena, ireo no isan’ny nivoitra tanatin’izay fehinkevitra novakiana omaly izay, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT