Finoana

Fikambanan’ny Silamo Malagasy Nanampy tokatrano 200 tany Sakaona Manakara


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Maneho fa mitondra anjara biriky ho an’ny lafiny maha olona sy fampandroam-pirenena ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy na ny FSM.

Ny faran’ny herinandro teo, nanampy ireo tra-boinan’ny rivo-doza nifanesy ho fanarenana ny fiainany tany Sakoana, tao amin’ny disrikan’i Manakara, ny iraky ny birao nasionaly. Nanolotra fanampiana ara-tsakafo nisy vary 10 kilao sy menaka fihinana 1 litatra ary siramamy 1 kilao isan’olona ho an’ny tokantrano 200 tao amin’ity kaominina ambanivohitra Sakoana ity. « Ho fanohanana amin’ny fiarenan-doha tamin’ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza nisesy izao hetsika anaovana laharam-pahamehana ny faritra tena voa mafy izao », hoy ny Filohan’ny FSM Atoa Abousoary Saïd Arsène, nandritra io fotoana io. Nialoha an’izao, efa nisy ny fanampiana tany Ambohitsara-Mananjary sy ny fanadiovana tanàna natao tàna-maro tao Ambalavontaky, tao Manakara an-drenivohitra, ary mbola hotohizana amin’ireo faritra tena mila izany, hoy izy. Naneho kosa ireo olobe tao an-tanàna fa potika ny fiharian’izy ireo, ka nankasitraka izao fihetsika nifanandrify amin’ny fifehezana amin’ny volana ramadan izao, izay ny mpino silamo moa no betsaka tao amin’io tanàna io. Notsindrian’i Rabefibirana, ben’ny tanànan’i Sakoana rahateo fa tsy mbola nahazo fanampiana tamin’ny fanjakana ireo fianakaviana 800 tra-boina tao nefa nalefa ara-potoana ny tatitra tamin’ny manampahefana tandrify sy ny BNGRC. Nilaza ny fahavononany hifanome tànana amin’ny fanjakana amin’ny fampivoarana ny fari-piainan’ny vahoaka sy ny fampandrosoam-pirenena ny Filohan’ny FSM, ary niantso fiaraha-miasa amin’ny tsara sitra-po rehetra. Notsipihin’ny Oustaz Landry izay mpitarika ny mpino silamo ao an-toerana kosa ny tokony hamahan’ny fanjakana haingana ny olana anatiny, mampikorontana ity fikambanana ity vokatry ny ambaran’izy ireo fa fisandohan’ny mpitady tombontsoa manokana izay manakorontana ny FSM.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT