Finoana

Fikambanan’ny Silamo Malagasy Hiantso mpiara-miasa ara-toekarena


  • Alakamisy 17 Martsa 2022

Tontosa tany Mahajanga ny herinandro lasa teo ny lanonana ofisialy nametraha ny filan-kevi-pirenenan'ny Fikambanan'ny Silamo Malagasy (FSM) sy ny birao vaovao amin’ny toerany, izay tarihin’ny Filohany Abousoary Saïd Arsène.

 Lanonana nahitana solontenan'ny Imams na mpitarika isam-piangonana, ny filan-kevi-pirenena, ny oloben'ny finoana silamo, ny Filohan’ny FSM tany aloha, manam-pahefana,… izay nahatratra 2000 isa. Fotoana io nanamafisan’ny Filohan’ny FSM fandaharan'asa sy vinan’asa hotanterahina mandritra ny fotoam-piasan’ny birao vaovao tarihin'ny filoha nasionaly Abousoary Saïd Arsène Abousoary, ka isan’izany ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy fampianarana izay hikarohana fiaraha-miasa any ivelany, hahafahan’ny FSM manome vatsim-pianarana ho an’ireo mendrika izany. Fanambin’ ny mpiara-miasa amin’ny filohan’ny FSM Abousoary ihany koa ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ireo firenena matanjaka mifandray aminy, hampientanana ny ara-toekarena, indrindra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana eto an-toerana. Nomarihin’ny birao nasionaly moa fa tarigetra vaovao nentiny ny hanomezan’ny finoana silamo lanja ny vehivavy eto Madagasikara, hifanaraka amin’ny politika maneran-tany izay manome toerana azy ireo ankoatry ny fanomezana toeram-boninahitra azy araky ny voafaritry ny foto-pinoana silamo. Ankoatra io, nanamafy sy nangataka ny fandraisana andraikitry ny fanjakana amin’ny fampiharana ny tany tan-dalàna amin’ny ambaran’izy ireo fa fanakorontanana misy ataon'ireo mpisandoka izay mampiasa taratasy hosoka mikasika ny FSM nefa tsy mety iharan'ny lalàna noho ny fifandraisany amin’ny olom-panjakana sasany ny Fikamban’ny Silamo Malagasy tarihin’i Abousoary Saïd Arsène.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT