Finoana

Fikambanan’ny Silamo Malagasy “Fotoana nandraisana famelana ny Eid al-adha”


  • Talata 12 Jolay 2022

Fahatsiarovana ny fanehoam-pinoana nataon'i Abrahama tamin’ny nanekeny hanao sorona ny zanany lahimatoa Ismaël ho fankatoavany ny baikon'Andriamanitra no soatoavina ara-pinoana raikiten’ny “Eid al-adha”

 na “eid al-kebir”, izay nomarihin’ny mpino silamo naneran-tany ny sabotsy 09 jolay 2022 teo, ka isan’ny nanamarika izany ny teto Madagasikara. Fotoan-dehibe tetsy amin’ny Moske 67 ha sy nanerana ny Nosy. Fety faharoa ho an’ny mpino silamo io. Raha ny tantara, nosoloan'Andriamanitra ondry ny sorona rehefa hitany fa nankato tokoa ny mpaminany ka io fanaovana sorona ondry io no marihina amin’ny fandatsahana ràm-biby ankehitriny ho fanohizana ny fahatsiarovana izany fihetsika izany. Fitiavan’ny Tompo mba tsy hisy rà mandriaka eto an-tany io, hoy ny mpino silamo. Ho an’ny finoana silamo izay manana ny foibeny any La Mecque, eo Andriamanitra no manome famelan-keloka faobe ho an’ireo mibebaka aminy. Androm-pamelana ihany koa io ho an’ny mpino silamo. Niarahaba ny mpino silamo nanerana ny Nosy noho izany mpitarika izany, tarihin’ny Filohan’ny Fikambanan'ny Silamo Malagasy (FSM) Abousoary Saïd Arsène. Mamono biby ny mpino silamo rehetra ary mifampizara izany hena izany ankoatry ny fivavahana iarahana. Manatanteraka hetsika ara-tsosialy isan-karazany toy ny nofon-kena mitam-pihavanana, ny majy,… noho izany ny sampan'ny Fikambanan'ny Silamo Malagasy (FSM) manerana ny nosy araky ny fandrindrana voapetraka mialoha ary nampahafantarina ny foibe, araky ny fanazavan'ny filoha nasionaly Abousoary Saïd Arsène. Ny filoha lefitra isam-paritra no mpitarika izany any amin’ny toerana misy azy tsirairay avy ankoatry ny vavaka atao ho fangataham-pitahiana ho an'ny firenena sy ny isam-pianakaviana.
Toky R
Légende: Nandritra ny fanamarihana ny “Eid al-adha” teeny amin’ny Moske 67 ha
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT