Herintaona izao no nitsanganan’ny Fikambanan’ny Kristianina mifanampy na FIKRIMI.
Fikambanana izay natao ho an’ny Kristianina rehetra tsy an-kanavaka fa tsy mifidy fiangonana, hoy ny sekretera jeneraliny, Rakotomanga Jean Remi. Ny hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny asa atao no tanjona, hoy izy, satria Jesosy rehefa tonga tety an-tany dia nanao fahagagana maro. Isan’izany ny fampitomboana ny mofo miisa 5 sy hazandrano 2. Nitory teny izy. Voky ny ara-panahin’ny olona fa nojereny ihany koa ny ara-nofo. Nohariana saina, vatana, fanahy ny olombelona ka mila atao mifandanja ireo. Tanjona koa, araka izany, ny hampanana asa ireo mpikambana, resaka asa sosialy, firaisankina, fifanampiana. Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo, hoy Jesosy. Maty ny finoana tsy arahan’asa. Tsy resy lahatra amin’ny fivavahana intsony ny olona amin’izao andro farany sy fahasahiranana izao rehefa tsy misy ny asa sosialy. Fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny asa atao no tena tiana ahatongavana. Ambohimandroso, Ambohimanga Rova, no tena ivotoerana ara-tsosialy fa Ampandrana kosa no foibe ifandraisana eto Antananarivo. Miainga amin’ny Kristianina ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Olona iray miova no afaka manova tanàna iray ary tanàna iray miova no afaka manova firenena manontolo. Tanjon’ny fikambanana ny hamolavola olom-banona. Ny tenin’Andriamanitra milaza hoe raha ny olona izay nantsoina tamin’ny anarako no hoavy hanetritena sy hivavaka hitady ny tavako, hiala amin’ny ratsy fanaony dia hihaino any an-danitra aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. Ny Kristianina mihitsy no tokony hanova izao firenena izao, noho izany! Ny fiantorahana amin’Andriamanitra no vahaolana. Eo koa ny fifanampiana satria na ny ohabolana malagasy aza milaza hoe ny firaisankina no hery. Kristianina miray hina sy mifampizara indrindra izany izao no tanjona. Izay ilay hoe tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà isika fa amin’ny fanahy maloto eny amin’ny rivotra. Tsy ny Kristianina indray araka izany no tokony hifanenjika hoe ianareo mihinana kisoa na izahay tsy mihinana kisoa na koa hoe sabotsy no mety na alahady no mety, hoy hatrany ny FIKRIMI.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.