Finoana

Fikambanana Silamo Malagasy Misy mpino mitaky ny hanesorana ny filohany


  • Talata 12 Janoary 2021

Mikorontana tanteraka ny fiainan’ireo mpino eo anivon’ny antokom-pinoana

 

 

 

Silamo sy ny fianakaviam-be mozilimana  « sunnite » manerana ny faritra maro amin’izao. Niainga tamin’ny fifandonana tamin’ny tompon’ny sekoly tsy miankina tantanan’ny mozilimana etsy amin’ny 67 ha afovoany andrefana izany ka nampiantona ireo mpianatra marobe tsy ho afaka handia ny varavaran-tsekoly efa 9 volana izao. Nitohy tany amin’ny faritany izany izay voalaza fa haripak’ity olona ity avokoa izay tsy mitovy hevitra aminy ka nahavotana am-ponja raiamandreny am-panahy sy ara-piaraha-monina ary koa mpino tsotra miisa 33 any Fenoarivo Atsinanana. Miisa 11 ihany koa no lasibatra tany Ambanja, 1 teto Antananarivo ankoatra ireo efa notanana nandritra ny 24 ka hatramin’ny 72 ora teny anivon’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fanenjehana ara-pitsarana teto an-drenivohitra sy tany amin’ny farany. Mbola misy ihany koa hoy Atoa Branco izay mpitondra tenin’izy ireo ny taratasin’ady telo hafa hikendreny hampidirana am-ponja ireo Ray aman-dReny am-panahy sy tompon’andraikitra ara-pitantanana teo anivon’ny moske 67ha afovoany andrefana sy ny maro tsy voatanisa. Vokatr’izany dia nivory maika tetsy amin’ny 67 ha omaly ireo sojabe eo anivon’ity antokom-pinoana iray ity nahitana solontena avy amin’ny faritra 23. Manameloka tanteraka ireo fihetsika tsy ara-pahendrena sy tsy ara-pahamendrehana nataon’ity tompon’andraikitra ity izy ireo , antony miteraka disadisa sy ny fifanenjehana ary fizarazarana eo amin’ny zanaky ny antokom-pinoana Silamo sy ny fianakavim-be mozilimana eto amin’ny firenena. Tsipahin’izy ireo marindrano araka izany ny maha-filohan’ny fikambanana Slamo Malagasy ity tompon’andraikitra ity sy ny fitononany ho lehiben’ny mpanaraka finoana Silamo eto Madagasikara. Takian’izy ireo tsy misy hatak’andro koa ny hanajanonan’ity farany ireo andraikitra rehetra sahaniny mifandraika amin’izay maha-filohan’ny fikambanana Silamo Malagasy azy izay.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT