FIKAMBANANA

MPIARA-MAMAKY NY BAIBOLY


  • Zoma 27 Febroary 2026

Hitarika ny olona ho tia ny tenin'Andriamanitra

Hitarika ny olombelona ho tia sy hankamamy ary hiaina ny tenin'Andriamanitra marina isan'andro ny FMMB na ny Fikambanana mpiara-mamaky ny Baiboly ho Fanorenana olona sy Firenena. Feno 55 taona ny niasan'ny fikambanana teto Madagasikara ankehitriny, ka hosantarina ny 01 Matsa ho avy izao amin'ny 02 ora folakandro ao amin'ny FJKM Katedraly Analakely ny fankalazana hofaranana ny amin'ny faran'ny taona 2026. Teny faneva hitondrana ny fankalazana ny voasoratra ao amin'ny 2 Korontianina 5:5 manao hoe : Andriamanitra mihitsy no manomana antsika ho amin'izany fanovana izany ka nanome antsika ny Fanahiny ho antoky ny soa natokany ho antsika, raha araka ny fanazavan-dRafalimanana Camille, tale jeneralin'ny FMMB. Ny 18 Jolay ho avy izao kosa no ivon'ny fankalazana ka hisy ny fankasitrahana manokana ireo mpamaky lay sy mpiasa an-tsitrapo ary sakafom-piraisana iarahana amin'ireo rehetra nandalo sy nahita soa tao amin'ny FMMB. Tsy hijanona eto Antananarivo ihany moa ny fankalazana fa hiitatra manerana Nosy ka ho an'ny omaly ohatra dia efa nisy ny kaonferansa natokana ho an'ny mpivady mba hisy fihavaozana ny fifandraisana ao an-tokantrano. Tsanham-baton'ny faha-55 taona ny fananganana complexe sportif ahitana kianja filalaovam-baolina, filomanosana, fanaovana basket, filalaovana tsipy kanetive ary volley eny Ambohidratrimo.
Pati
Légende : Nandritra ny tafa nataon'izy ireo tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT