Finoana

Fikambanana mampiely baiboly « Mila fehezin’ny fiangonana ny teknolojia.»


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Niha mora vidy sy niha mora azo hatrany ny baiboly tao anatin’izay taonjato maro nisiany izay, hoy ny tale jeneralin’ny fikambanana mampiely baiboly malagasy,

 ny Mpitandrina Hubert Rakotoarivony, raha nanao famelabelarana mikasika ny voka-tsoa sy voka-dratsin’ny baiboly elektronika sy taratasy tetsy amin’ny Chapelle militaire Ampahibe omaly. Tamin’ny taonjato faha-14, hoy izy, dia hodi-janak’ondry 300 isa vao nahavidy baiboly 1. Amin’izao fotoana izao anefa dia efa azo maimaimpoana amin’ny alalan’ny aterineto ny baiboly ary tsy mijery halaviran-toerana sady mora refesina ny fiseranany (interaction biblique).

3 lavitrisa ny olona mampiasa aterineto eto an-tany ary ny 15%-n’ireo dia aty afrika avokoa. 17% no eto Madagasikara fa mety ho tonga 25% amin’ny taona 2020. Misy fetrany anefa ny teknolojia. Ny taratasy azo tehirizina anaty tranomboky ary ny afo ihany no afaka mandevina azy. Tsy azo ihodivirana anefa, hoy ity mpitandrina ity ny fivoarana. Mila manova fijery ny Kristianina ary manala ao an’eritreritra ny hoe mampidi-doza ny fivoarana. Mila manova fijery isika ary mampiasa sy mifehy ny aterineto amin’ny fomba miabo. Miova amin’ny fanavaozana ny saina, hoy ny soratra masina, raha ny fanazavan’ity filoha ity hatrany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT