Finoana

Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy Mankalaza ny faha-50 taonany sy ny faha-180 taonan'ny Baiboly Malagasy


  • Talata 02 Jona 2015

Hanatanteraka hetsika efatra sosona ny fikambanana mampiely Baiboly Malagasy amin'ity volana Jona ity, fotoana iray izay mifanindran-dalana amin'ny tantaran'ny Baiboly malagasy.

 Fikaonan-doham-pirenena hiarahana amin'ireo mpandalina tantara sy teolojianina anjara no hisantarana izany rahampitso 3 Jona etsy amin'ny fakiolte Ambatonakanga. Anisan'ny horesahina mandritra izany ny baiboly sy ny teny Malagasy, ny baiboly sy ny fitiavan-tanindrazana, ny baiboly sy ny kolontsaina ... Hitohy ny 18 ka hatramin'ny 21 jona ny hetsika izay hanaovana fivoriambe hiarahan'ny fikambanana kristianina, ny foibem-piangonana, ny sakaizan'ny baiboly anjara. Tsy latsa-danja amin'ireo ny zavatra ho hita eny amin'ny tahala Rarihasina Analakely ny 18 ka hatramin'ny 25 Jona, ahitana ny fampirantiana ny tantaran'ny baiboly malagasy, ny rafitry ny fikambanana mampiely baiboly malagasy. Ao koa ilay hetsika goavana hotanterahina eny amin'ny Coliseum Antsonjombe ny  21 jona. Fotoam-pivavahana lehibe iraisam-pinoana  natao hitondrana am-bavaka ny firenena no hatao amin'izany hanasana ny mpino rehetra tsy an-kanavaka arahin'ny tondran-kira hotanterahin'ireo antoko mpihira maro samihafa. Samy tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny fikambanana sy ny faha-180 taonan'ny nanoratana ny baiboly tamin’ny teny Malagasy avokoa izany rehetra izany.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT