Finoana

Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy Mamarana ny fandoavana ny trosa ivelany sisa


  • Zoma 20 Aprily 2018

Rehefa nandalo olana ara-bola nandritry ny 1 taona sy tapany ny fikambanana mampiely baiboly malagasy na ny FMBM, hoy ny sekretera jeneraliny, Ny pasitera Hubert Rakotoarivony, dia isaorana an’Andriamanitra fa efa manomboka miarina.

Ny nahagaga dia tao anatin’ireny krizy 2016 ireny mihitsy no tena nampitombo ny mpanjifa. Raha 50.000 isan-taona no lafo dia 80.000 izany tamin’ireny. Ankehitriny dia efa voailika daholo ny trosa anatiny rehetra ary eo am-pamaranana ny fanefana ny trosa ivelany ny fikambanana ankehitriny. Mila beazim-boho kosa aloha hatreto, raha ny fanazavana, io fitantanana anatiny io. Antony mbola nitazonana ny isan’ny mpiasa ho 17 aloha raha 45 teo aloha. Avo 3 heny tamin’ny vitan’ny teo aloha anefa ny vitan’ny ankehitriny, raha ny fanazavany hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT