Finoana

Fikambanana Jodaisma Madagasikara Mesirima Hampahafantatra ny mampiavaka ny finoany


  • Talata 31 Martsa 2015

Mankalaza ny fahafito taona niorenany ara-dalàna teto amintsika ny fikambanana Jodaisma Madagasikara Mesirima tarihin’ny filohany Cohen Bera.

Toraka izany koa ny faha-18 taona nisian’ny fikambanana teto Madagasikara ankoatra ny taon-tsabata fahafito. Manoloana ireo fety maro samihafa ireo dia hanatanteraka hetsika goavana ny fikambanana ny 02 Aprily ho avy izao. Etsy amin’ny CC ESCA Antanimena no hanatanterahana izany manomboka amin’ny 02 ora folakandro, entin’ny filohan’ny fikambanana hampahafantarana ny finoana arahin’izy ireo sy ny kolontsaina mampiavaka azy toy ny dihy, ny hira, ny fomba fitafy… « Inona no mampiavaka ny Jodaisma mesirima sy ny Kristianisma ? ». Io no lohahevitra hovoaboasana mandritra izany  ka hamoahana ireo karazana tsiambaratelo manodidina ity finoana iray ity toy ny hoe : tsy sekta ny jodaisma fa finoana iray voalohany nahazoana ny Baiboly...Amin’io fotoana io ihany koa no hanambaran’i Cohen Bera ny amin’ny tokony hihazakazahan’ny vahoaka rehetra hamboly amin’ity taona 2015 ity. Fambolena natoraly no hatao amin’izany, hoy izy, izay tsy avy amin’ny faminaniana akory. Notsindriany manokana moa fa taon-tsabata fotoana nitsaharan’ny tany iny taona 2014 nivalona iny, antony nisian’ny ranobe teto amintsika farany teo saingy niniany tsy nolazaina.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT