Finoana

Fikambanana Ahmadiyya eto Madagasikara Nahatontosa ny Convention annuelle 2018


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Nahatanteraka ny fivoriana « Convention annuelle » fanao isan-taona tetsy amin’ny fokontanin’Anatihazo misy ny trano fivavahany « mosquée » eto Antananarivo ny Fikambanana Miziolimana Ahmadiyya eto Madagasikara tarihan’ny misionera Mujeeb Ahamad.

 

 

Mpizaika nahatratra 193 no nanatrika ny fivoriana ka nisy ny avy any Manakara sy Toliara ary Fianarantsoa. Tonga manokana nanotrona an’ity fotoana ity, izay nisy fiaraha-mivavaka natao sy fiaraha-misakafo ihany koa, ny filohan’ny fikambanana Ahmadiyya ao amin’ny nosy Maorisy sady filohan’ny Ahmadiyya aty amin’ny nosin’ny Oseana Indiana manontolo, Moussa Taujoo. Niompana tamin’ny fandinihana ny fiainam-pianakaviana ny dinika natao ka nofidiana manokana ny lohahevitra : zon’ny vehivavy mioziolimanina. Ny firenena tandrefana sasany mantsy dia  milaza, hoy ny fanazavana heno teny Anatihazo, fa ny fivavahana Silamo dia tsy manome ny zon’ireo vehivavy ao aminy. Raha ny marina anefa, hoy ihany ny fanazavana, ny fivavahana Silamo dia mampianatra ny rehetra  fa ny paradisa dia ambanin’ny tongotr’ireo reny ka amin’ny didy misy ao amin’ny Kor’any dia milaza mazava fa raha te hiditra ao amin’ny paradisa ireo zanaka dia tokony hankato ny renin’izy ireo.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT