Finoana

Fikambanan-drelijiozy “Very fanahy mbola velona ny Malagasy”


  • Alarobia 03 Mey 2017

Ny fikambanan-drelijiozy lahy sy vavy dia miasa amina sehatra ara-tsosialy maro,

 

 toy ny fanabeazana, amin’ny alalan’ny fampianarana any an-tsekoly amin’ny ambaratonga rehetra na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, ny fahasalamam-bahoaka any amin’ny hopitaly sy ny klinika, indrindra any amin’ny dispansera sy ny foibem-pahasalamana fototra faharoa, ny fampivoarana ny fiainan’ny olona. Raha tsorina dia mandray anjara mavitrika amin’ny fampivoarana ny lafiny maha olona izy ireo. Tato anatin’ny taona maromaro anefa, misedra olana goavana izahay amin’ny iraka ampanaovina anay eny anivon’ny vahoaka noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manjaka manerana ny Nosy, ary manampy trotraka izany ny fahantrana lalina, hoy ny fikambanan’ny relijiozy lahy sy vavy. Olona very fanahy mbola velona sy mihorohoro sisa no ifaneraseranay. Lehilahy sy vehivavy tsy manam-piahy, mpianatra mitondra takaitra am-po no mamonjy sekoly satria saika isak’alina izy no vavolombelon’ny herisetra ataon’ny andian-jiolahy mandroba sy mirongo fiadiana. Matetika anefa rehefa voasambotra ireny jiolahy ireny dia avoaka ary miverina indray any an-tanàna mihantsy ny mponina, raha ny fanehoan-kevitr’izy ireo. Anisan’ny iharan’ny herisetra sy vono olona mahatsiravina ihany koa ny relijiozy tato ho ato, izay lasa sakana amin’ny asany. Manameloka marindrano rehefa mety ho asan’ny maty eritreritra sy ny tsy manam-panahy, ary midera ny ezaky ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Mangataka ny hampiharana ny lalàna amin’ireo tompon’antoka tamin’iny heloka bevava nihatra tamin’ny relijiozy mba tsy ho afa-bela fotsiny amin’izao izy ireo. Aoka ny tompon’andraikitra rehetra mba handre ny antso vonjy avy aminay. Aoka izy tsy hianona amin’ny « kolontsain’ny tsy firaikàna » fa handray ny fepetra mahomby rehetra mba hanarenana izao toe-javatra izao tamin’ny taratasy misokatra nalefanay ho an’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ary ireo tompon’andraikitra ambony misahana ny fitandroana ny filaminana, hoy izy ireo.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT