Finoana

Fihaonan’ny Filoha sy ny FFKM 200 isa isaky ny miditra no isan’ny mpivavaka


  • Alarobia 31 Martsa 2021

Nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny avy amin’ny FFKM omaly,

 

 

fotoana nentina nandinihana ny toe-draharaha ara-pahasalamana mifandraika aminny fiainam-pirenena sy ny fiainam-piangonana. “Iaraha-mahalala ny zava-misy eto amin’ny firenena noho ny valanaretina miha mivoatra makany amin’ny mafimafy hatrany”, hoy ny Mgr Ranarivelo Samuel Filohan’ny Fiangonana Anglikanina sady Filoha Lefitry ny FFKM. Miantso ny samy handraisan’ny tsirairay andraikitra eo anatrehan’ny zava-misy. Fanamafisana ny fepetra, ka manana andraikitra amin’izany ihany koa ny fiangonana. Miantso ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka hanaja ny fepetra rehetra ny FFKM. Tsy tokony ho latsaka anaty fakam-panahy hanamaivana ny fepetra ny rehetra satria tena miha mahery vaika ny fisehony, araka ny zava-misy. Mikasika ny fiangoanana manokana, dia nambara fa zava-dehibe ny fiombon-bavaka izay tena ilain’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy amin’izao. Tsy hisy fiovana ny fandaharam-potoana ho an’ny herinandro masina fa ao anatin’ny fanajana ny fepetra sakana kosa: tsy mihoatra ny 200 isaky ny miditra, hajaina ny elanelana, ny fidiovana,… Hamafisina ny fanajana ny fepetra rehetra, ary raha sanatria misy zavatra mitranga dia tsy maintsy raisin any fepetra. Mila fifampitaizana, ary tsy voatery fikapohana na sazy. Mamporisika ny vahoaka krisitianina sy ny vahoaka Malagasy rehetra hanamafy ny fepetra efa noraisina. Tsy ho voaelingelina noho izany ny fanatanterahana ny herinandro masina mialohan’ny paska, fa tsy misy mivaha kosa ny fepetra. Tsy maintsy mandray ny fepetra mifanandrify amin’izany, fa tokony hahay hifampitaiza fa tsy hiandry kapoka foana, ary irariana ho mpandresy anie ny firenena ao anatin’izao ady izao, hoy ny FFKM.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT