Finoana

Fihaonamben’ny Eveka eto Madagasikara “Tsy misy hasina intsony ny aina”


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Mikorosy fahana tanteraka ny fiainantsika Malagasy ankehitriny. Mbola mahazo tatitra maro mampihoronkoditra izahay noho ny fikorontanan’ny toe-tany sy ny toetr’andro.

Noho ny fitiavan-tena sy ny politikan’ny samy maka ho azy dia mbola mahazo vahana ny fahantrana, hoy ny fanambaran’ny avy eo anivon’ny fihaonamben’ny Eveka izay nivory ny 8 ka hatramin’ny 16 novambra lasa teo. Ny tsy fandriampahalemana efa mampandry tsy lavoloha ny maro ka mampitombo ny tebiteby marain-tsy hariva. Ny fifandraisan’ny samy mpiara-belona feno tsy fifampitokisana. Mihanaka any amin’ny seha-piainana manontolo ny kolikoly ary ny vidim-piainana tsy mitsaha mitombo.Tena mahazo toerana faratampony ny fitiavan-tena sy ny fanompoana ny vola.Vokany, tsy misy hasiny ny aina fa tahaka ny mamono akoho ny mamono olona. Maty ny marina eto Madagasikara, hoy hatrany izy ireo. Naneho ny hafaliany kosa anefa na izany aza ity fihaonambe ity manoloana ny fananganana ho olon-tsambatra an’Andriamatoa Lucien Botovasoa ho olon-tsambatra any Vohipeno, diosezin’i Farafangana, ny 15 aprily 2018 izao. Ny taona 1908 no nahaterahany ary nodimandry ny 17 aprily 1947. Teo amin’ny faha-39 ny lehilahy no nodimandry. Filamatra izy teo amin’ny fandraisany andraikitra teo amin’ny ankohonany sy ny fireneny ary ny fiangonana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT