FIHAONAMBE HO

VONINAHITR'ANDRIAMANITRA Tanora FJKM manodidina ny 15 000 no nifampitaona tany Antsirabe


  • Talata 27 Aogositra 2024

Tanteraka soamantsara ny Fihaonamben'ny Sampana Tanora Kristiana na STK eo anivon'ny Fiangonana'i Jesoa

Kristy eto Madagasikara (FJKM) natao tany antsirabe ny 21 hatramin'ny 25 Aogositra teo.Nahatonga solontena avokoa ny Synodam-paritany 37. 15 000 teo ny isan'ny mpamonjy fihaonambe, ny synodam-paritany Antananarivo andrefana ary nahatonga solontena betsaka indrindra. Teo amin'ny Fifaninananan-kira dia nisongadina ny fiakaran'ny lenta teo amin'ireo mpifaninana. Fihaonamben'ny tanora no natao fa nampisehoan'ny FJKM ihany koa fa manana ny maha izy azy izy amin'ny fitoriana ny filazantsara sy ny fanatanterahana ilay fanamby lehibe hoe : "mbiola ho firenena kristiana i Madagasikara amin'ny taona 2118". Mifototra sy miaina amin'ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny teniny voarakitra ao amin'ny baiboly na soratra masina ny mpino protestanta Fjkm ka mitazona hatrany ilay foto-kevitra hoe "sola scriptura" , na hoe ny teny masina irery ihany
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT