Finoana

Fifidianana ho Filohan’ny FJKM Malalaka ny lalan-dRasendrahasina


  • Alarobia 22 Aogositra 2012

Hifarana amin’ity anio ity ny synoda lehibe faha-17 an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) izay tanterahina any Manakara hatramin’ny 15 aogositra lasa teo.

 Hatramin’ny alatsinainy 20 aogositra teo dia niroso tamin’ny fifidianana ireo mpiandraikitra foibe ireo mpizaika. 200 teo ho eo ireo nilatsaka hofidiana tamin’izany raha 80 kosa no mandrafitra ny komity foibe. Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, ny alatsinainy hifoha talata, no nahafantarana ny valin’ny fifidianana izay ho mpikambana avy hatrany eo anivon’ny Birao foibe FJKM, fihodinana voalohany.

Marihina fa fidiana mivantana ny 43 amin’ireo 80 mpiandraikitra foibe. Amin’ireo 43 indray dia pastera ny 22, ka pastera amin’ny toeram-panomanana ny 2. Toeran’ny laika ny 15 ary mpampianatra ny 6 ambiny mameno azy ho 43. Solontenan’ny synodam-paritany kosa ny 37 mameno azy ho 80 mandrafitra ny mpiandraikitra foibe, ka tsy maintsy pastera ny 18 amin’ireo ary misy mpampianatra 5, ny ambiny tsy ferana. Amin’ny fifidianana mivantana dia tafita ho mpikambana avy hatrany amin’ny mpiandraikitra foibe izay kandida mahazo ny antsasamanilan’ny vaton’ny mpizaika. Telo ihany no nahafeno ny fepetra tamin’ny fihodinana voalohany, dia Rasendrahasina Lala Haja (178/257) sy Andrimahazosoa Irako Ammi (166/257) teo amin’ny sokajy mpitandrina ary Ravalomanana Marc (138/257) irery teo amin’ny sokajy laika.
 
Niditra tamin’ny fihodinana faharoa ny fidianana ireo mpizaika omaly. Eto dia voafidy ho mpiandraikitra foibe avy hatrany izay be vato. Feno hariva ny fifidianana azy 43, fidina mivantana. Ny telo tamin’ireo efa tafita tamin’ny fihodinana voalohany, fa ireo 40 ambiny kosa nandalo fihodinana faharoa vao fantatra. Nitohy mandrak’alina kosa ny fifidianana azy 37 solontenan’ireo synodam-paritany FJKM. Teto amin’ity farany no nisy korontana kely. Araka ny fantatra mantsy dia misisika hiditra hofidiana ho solontenan’ny synodam-paritany ireo tsy lany tamin’ireo 43 nofidiana mivantana ho mpiandraikitra foibe, nefa efa nisy fifandaminan’ny samy synodam-paritany mikasika ireo ho solotenany.
 
Amin’ity anio ity izany no hiditra amin’ny fifidianana izay ho mpikambana ao amin’ny birao foibe FJKM ireo mpizaika. Tsy moramora ny hahatongavana amin’ny toeran’ny filoha, izay pastera, raha tsy hilaza afa-tsy io, satria io no anisan’ny andrasan’ny mpino FJKM sy ny Malagasy maro manaraka akaiky ity synoda lehiben’ny FJKM tanterahina any Manakara ity. Mandalo sivana lehibe mantsy vao tonga amin’izany toeran’ny filohan’ny FJKM izany. Voalohany, dia tsy maintsy ny 2/3 na ny androatokon’ny mpiandraikitra foibe no mankato ny filantsahan-kofidiany. Avy eo dia atolotra ny mpizaika ilay kandida, ary tsy maintsy ny 2/3 na ny androatokon’ny mpizaika (257) koa no mandany azy vao tafita.
 
Raha zohina amin’io dia malalaka ny lalana ho an-dRasendrahasina Lala Haja, mpitandrina sady filoha am-perinasa. 178/257 ny vato azony tamin’ny fifidianana mivantana fihodinana voalohany nifidianana ireo mpiandraikitra foibe, izany hoe efa mihoatra ny fetr’isa tadiavina. Koa raha manaja ny safidiny ireo nifidy azy tamin’ny fihodinana voalohany dia tsy isalasalana ny mbola hitantanany indray ny FJKM mandritra ny efa-taona ho avy. Raharaham-piangonana ary asan’Andriamanitra rahateo ity, ka mba hafahafa ihany raha misy fitsimbadihan-javatra tampoka tsy hahatanteraka izany. Andrasana, araka izany, izay hitranga anio.
Betsaka ny resaka nandeha tamin’ity synoda lehiben’ny FJKM ity fa ho an’ireo mpanara-baovao dia mety ho taratry ny ho fizotry ny fifidianana eto amin’ny firenena izao navoakan’ny FJKM izao. 
 
Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT