Finoana

Fifidianana birao foiben`ny FLM Tsy misy resaka kandidàm-panjakana izany


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Ho tanterahina amin`ny herinandro voalohany ny volana novambra izao any Mahajanga ny fifidianana birao foiben` ny Fiangonana Loteriana Malagasy (FLM).

 

 

Niely ny feo fa misy amin` ireo hilatsan-kofidiana dia misy kandidàm-panjakana. Mandiso izany kosa ny filoha lefitry ny FKTLM no sady mpikambana ao anivon` ny komity mpiandraikitra ny synoda lehibe, Ramdriampinamanana Rostand. “Mizara roa miavaka tsara ny finoana sy ny fanjakana. Ao anatin ny fotoana fanomanana fifidianana izay araka ny lalàmpanorenana ny FLM dia isaky ny efa-taona. Na dia teo azan y valanaretina Covid 19 dia miroso amin`izany izahay. Misy no manely tsaho hoe misy kandidàm panjakana ao anatin` izany fifidianana izany kanefa tsy misy izany. Fantatray tsara fa ny fitondram-panjakana dia manaja ny fisarahana asa izay ka tsy tokony ho lotoina amin`izany. Ny FLM koa dia manaja sy manaiky ny fanjakana mijoro sy ara-dalàna” hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT