Finoana

Fifamelan-keloka eo amin’ny ankolafy 4 Nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka


  • Zoma 23 Aprily 2010

Tsy nanoina ny antson’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ny amin’ilay fifamelan-keloka teo amin’ny ankolafy efatra ny ankolafy Rajoelina sy Ratsiraka. Tonga ary nahafeno ny isa nilaina ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert.

Na izany aza dia nanapa-kevitra ny mpikarakara fa hahemotra ny dinika. Tsy tanteraka araka ny niheveran’ny mpanomana azy araka izany ilay fihaonana teny amin’ny foiben’ny Mpiara-mamaky Baiboly eny Mandriambero Ambohidratrimo. Fantatra kosa anefa fa hitohy ary hivelatra kokoa ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ao anatin’ilay fandaharan’asa miditra amin’ny fifamelan-keloka. Ny 11 mey ho avy izao dia hisy ny fihaonambe hiantsoana ny hery velona rehetra hiroso amin’izay fifamelan-keloka izay. Hanerana ny lafy valon’ny Nosy ny fihaonana, araka ny vaovao. Raha ny fanazavana dia tsy nisy nitsipaka ireo vondron’olona efa natonin’ireto raiamandreny am-panahy ireto io hetsika lehibe io. Manomboka eto, dia mifantoka betsaka amin’ny fanomanana io fihaonambe io ny asan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Etsy an-danin’izany, momba ny raharaha Ambohimamory, dia fantatra izao fa am-polony ireo tanora kristianina ao amin’ny Fjkm Ambohimamory no nandefasan’ny zandary taratasy fiantsoana hanaovana fanadihadiana. Manoloana izany dia manohitra ny fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra ny Hmf. Nambaran’ireo mpitarika ity hetsika ity fa tsy ankolafy politika ny Ambohimamory fa miezaka mitaiza ny olona amin’ny fahamarinana, manaja ny fahamarinana. Raha tsiahivina moa, raha nanao hetsika ny Ambohimamory hatramin’izay dia nilamina mandrakariva izany satria, araka ny fanazavana, dia izay fahamarinana izay no laharam-pahamehana. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT