Finoana

FIDANGAN’NY VIDIM-PIAINANA “Ny fampiakarana ny fiainan’ny olona no vahaolana”


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Tsy misy izay tsy mitaraina ny amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’izao ny isan-tokantrano. Voakasik’izany manokana ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ny PPN.

 Naneho hevitra momba izany pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko omaly. Nambarany fa efa voalazan’ny Baiboly hatramin’ny ela fa any am-parany any dia hisy andro maha-ory. Na dia mbola tsy fahoriambe aza no hiainantsika eto Madagasikara hoy hatrany ity pastera ity dia efa misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika ilay fidangan’ny vidim-piainana isan’andro io. Ny fampiakarana ny fiainan’ny olona ihany araka izany no vahaolana hoy ny fanazavany. Ekena hoy izy fa manao ny fanjakana saingy tsy mahita vahaolana no sady tsy afaka. Tsy ampy hoy izy ny fandehanana amin’ny herin’ny tena sy ny fahaizana fa tsy misy afa-tsy ny ao amin’Andriamanitra ihany.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT