Finoana

Fiatrehana ny Paska Hahazo fanampiana ireo sahirana eny Ambohidrapeto


  • Talata 07 Aprily 2020

Hizara fanampiana ho an’ireo olona sahirana ara-pivelomana ao aminy ny kaominina Ambohidrapeto, tarihin’ny Ben’ny tanana Mihary Andriantsilavo amin’ity herinandro ity mialohan’ny hankalazana ny fetin’ny Paska.

 

 

Hanentana ireo vato nasondrotry ny tany sy ireo malala-tanana rehetra ao amin’ny kaominina misy azy ity Ben’ny tanana ity manomboka anio talata hangataka fanampiana hotsinjaraina amin’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny vatsy hiatrehana ny fihibohana mba tsy hisy tsy hanan-karotsaka ny isan-tokantrano mandrafoanan’ilay fihobohana 14 andro fanampiny vokatry ny fisian’ilay areti-mandoza coronavirus izay mandalo eto amintsika. Tsiahivina moa fa efa nizara tampim-bava miisa 1.200 ihany koa ny kaominina ho an’ireo vahoaka izay tratra sy ny zandarimariam-pirenena. Hametrahana bidon efa voavoatra hanasan-tanana 10 ihany koa isaky ny Fokontany hahafahana manazatra ny olona hanasa tanana amin’ny savony matetika ho fiarovana ilay coronavirus tsy hiparitaka. Marihina fa anisan’ny kaominina mbola mijaly rano hatreto Ambohidrapeto antony nanosika ity Ben’ny tanana ity hametraka ireo bidon maromaro ireo. Mikasika ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana indray dia fantatra fa ho avy amin’ity herinandro ity ihany koa izany ho fitsinjovana ireo vahoaka tena sahirana isam-pokontany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT