Finoana

Fiarahan’ny mitovy fananahana « Tafita tany amin’ny mpitondra ny antso… »


  • Talata 24 Desambra 2019

Namoaka fanambarana ny filohan’ny FJKM omaly manoloana ilay lalàna niteraka resabe. Teo anoloan’ny fanambarana nataonay tamin’ny zoma 20 desambra 2019,

 

noho ny tanindrazana iombonana sy ny firenena iaraha-manana ary ny taranaka iaraha-mitaiza, sy ny akon’izany, ny filohan’ny FJKM dia nahatsiaro fa tsy niantso tany an-taniefitra. Koa midera an’Andriamanitra sy maneho fisaorana eram-po eran-tsaina ny fitondram-panjakana nanaiky hihaino ny antsom-pitiavana nataonay ka nanao ny ezaka rehetra hanomezana fanazavana. Ankehitriny dia re mazava ny hevitry ny fiangonana ho fanoherana ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Ankehitriny dia mazava tsara fa ny lalàna Lah.2019-008 notapahin’ny Parlemanta farany teo momba ny voalaza ao hoe “lutte contre les Violences Basées sur le Genre” dia tena lalàna momba ny ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny ankizy sy ny vehivavy ihany, fa tsy misy idiran’ny fanambadian’ny mitovy fananahana mihitsy. Ary ambaranay fa tena ezaka mendri-piderana sy iombonana feno ny fanoherana izany herisetra izany, hoy ny fanambarana. Mazava tsara fa mahazo matoky ny vahoaka Malagasy fa tsy hisy eto Madagasikara mihitsy izany lalàna hanomezan-dalana ny fanambadian’ny mitovy fananahana izany. Fahazoana antoka tena nilaina izany, hoy filohan’ny FJKM. Adidin'ny fiangonana ny manaitra sy misintona lakolosy. Tsy nisy an'iny fanambaran'ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa sy ny fanazavan’ny governemanta, raha tsy niteny ny filohan’ny FJKM. Manamafy hatrany fa tsy manaiky ny fanambadian'ny mitovy fananahana ny FJKM sy ny FFKM. Tsy manary na manilika ireny olona ireny fa vonona hampianatra sy hanavotra ny fanahiny raha vonona izy. Teny feno fahendrena ny an’ny filohan’ny FJKM, ary efa nodinihana lalina io. Tsy manapa-kevitra irery i Pasitera Ammi fa tsy maintsy efa nifampiresahana tamin’ny mpiandraikitra foibe io. Noho izany, tsy mitombina ny fanenjehana. Maro ny tsy mahalala ilay rafitra Presbyteriana Synodaly toavin'ny FJKM, dia manokatra fifanasana vangy any anaty tambajotran-tserasera.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT