Fiarahan’ny mitovy fananahana

Mifoha ny fanoherana tsy azo ivalozan’ny FJKM


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Nampisokatra adihevitra eo amin’ny lafiny ara-pinoana ilay fanapahan-kevitry ny Papa Fransoa

amin’ny fanekena ny fitsofan-drano ireo mitovy fanahana miaraka na mifankatia. Io izay nitondran’ny tompon’andraikitry ny EKAR na Eglizy katolika Romanina eto amintsika fanazavana, fa tsy ny fitsofan-drano ilay fiarahana na « union » no voafaritra eto, fa ny fitsofan-drano ireo olona amin’ny olombelona azy satria tsy afaka mandà na iza na iza ny fiangonana. Ny teo anivon’ny EKAR izay naneho sy nanamafy, fa tsy manova ny foto-pinoana sy ny fotom-pampianarana ary ny sakarametan’ny Fiangonana na ny « doctrine » an’ny fiangonana izany, ary tsy hanaiky velively ny fanamasinana ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Ho an’ny katolika dia marihina hatrany fa ny Fiketrahana masina sy ny Papa no rafitra farantampony eo amin’ny antanan-tohatra. Nampifoha ny fomba fijerin’ny FJKM (Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara), ka nandeha ny fampahatsiahivana ny fanambaran’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi tany amin’ny desambra 2019, izay naneho tamin’ny fomba hentitra fa tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra izay te-ho sodomita. Raha hiverenana ny momba an’io, dia nasian’ny FJKM resaka ilay tranga nampiahiahy toy ny nahitana Mpanakanto lahy manambady lahy nanao raki-tsary na « clip » anaty trano fiangonana sy amin’ny toeranan-kafa ka nampijoro ny Fiangonana noho ny tsy fanekena izany. Mandeha ny fampahatsiavana fa ny foto-dalàna sy fitsipika andininy 74 milaza ny tsy faneken’ny Fiangonana ho fanambadiana ny firaisan’ny samy lahy na samy vehivavy. Tahaka izany ihany koa ny nilazan’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi fa tsy miaraka mihitsy ny Fiangonana sy ny « franc maçonnerie » sy ny «Homosexualité», izay efa nambara tao anatin’ny fanambaram-pinoana natao tamin’ny synoda lehibe faha-17 natao tany Manakara, tamin’ny aogositra 2012, dia namafisin’ny synodam-pinoana natao ny volana mey 2018. Ny FJKM anefa, hoy hatrany ny filohany tamin’ny desambra 2018, dia tsy tsy hitsara sady manaja ny safidin’izay te ho Sodomita. Nilaza mazava kosa nefa izy fa raha tohizany io dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Efa tamin’izany no nanamafisana ny antso ho an’ny fitondram-panjakana ny tsy hanekena ho lalàm-panjakana io fomba io. Ny FJKM dia miombona amin’ny hafatra nataon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny FFKM tamin’ny komity foibe nataony tany Tsiroanomandidy, tamin’ny novambra 2018, manao hoe : Fanambadiana ho an’ny olona mitovy fananahana : fahotana, tsy fanajana ny tenan’olombelona sy ny fanambadiana ary aretina io ka lavin’ny Fiangonana. Toy izany koa ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mitovy fananahana. Lehilahy iray ho an’ny vehivavy iray, araka ny famoronan’Andriamanitra azy no ekena ho mpivady ka tsofin’ny Fiangonana rano.

Somary manahirana sy saropady ity lohahevitra ity, ary mety hiteraka fifanoheran-kevitra goavana raha tsy mandinika tsara ka ny fanafodiny dia mifanaja sy samy manaja ny azy raha toa ka mbola tsy tena voafehy ilay lohahevitra sy ny fanazavana. Efa misy rahateo ny Firaisam-pinoana na Eokiniosma eo anivon’ny FFKM raha ho an’ny fiangonana zokiny, ka heverina fa tsy hanova na inona na inona io adihevitra io. Tsiahivina hatrany kosa, fa ara-panjakana, dia efa nampidirina ao anatin’ny lalàmpanorenana Malagasy ny tsy fifampitsabahana sy fampifangaroana ny fiangonana sy ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT