Finoana

Fiaraha-miasan’ny CNaPS sy ny FJKM Mpiasa 435 nofanina tao Vohidiala


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Mpiasa miisa 435 avy amin’ireo synodam-paritany FJKM (Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara) Ambatondrazaka Vaovao sy Alaotra Kraoma no nanaraka fiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy, ny talata 13 sy alarobia 14 novambra lasa teo.

 

 

 

 

Notanterahina tao amin’ny Fitandremana FJKM Vohidiala Finoana izany, izay natrehan’ireo mpiasa avy amin’nysekoly, hopitaly, toby fitaizana zaza kamboty ary solontena avy amin’ny biraom-panjakana isan-karazany. Fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny CNaPS sy ny FJKM, voasonia ny volana jona 2017 ny atrikasa. Andiany faha-27 izy ity ary synodam-paritany miisa 37 no efa voakasika hatreto. Atoa Rasoanaivo Didier, Talen’ny Fenitra sy ny Fikarohana eo anivon’ny CNaPS foibe no nitarika ny delegasiona tany Vohidiala. Nanampy tamin’ny fanatontosana ny fiofanana kosa Rajaonarivo Andriatsimilavo, Delegen’ny talen’ny masoivoho ao Ambatondrazaka. “ Tsy  tokony hisy mpiasa eo anivon’ny Fiangonana ka tsy hisitraka ny zony. Fotoana izao hamahana ny olan’ny lasa”, araka ny nambaran’Atoa Rasoanaivo Didier. Noresahana nandritra ny tapany voalohany tamin’ny fiofanana ny momba ny zon’ny mpiasa sy ny andraikitry ny mpampiasa mba hahatanteraka ny fiahiana ara-tsosialy. Nampahafantarina ireo mpiofana ihany koa ny andraikitry ny Tahirim-pirenena mikasika ny fampanjariana ny zon’ny mpiasa, ireo tolotra maro atolony, indrindra ireo fomba fiasa eo anivon’ny CNaPS. Niara-nanaiky ireo mpandray anjara nandritra ity 2 andron’ny fiofanana ity fa nahazo fahalalana maro momba ny fiahiana ara-tsosialy.

Nangonin’i RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT