Finoana

Fiaraha-miasan’ny CNAPS – FJKM 141 mianadahy nofanina tany Fianarantsoa


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Ho fanarenana ireo tsy nety rehetra teo aloha sy mba tsy hisian’ny fahaverezan-jo intsony amin’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina no nahatonga ny CNaPS sy ny FJKM niara-niasa. Mampiasa olona maro mantsy ny FJKM.

  Ao ny mpitandrina, ny talen-tsekoly, ny biraon’ny fitandremana ... Nahatratra 141 mianadahy izy ireo no nanatrika ny atrikasa fanofanana momba ny adidin’ny mpampiasa sy ny zon’ny mpiasa satria dia mbola maro amin’izy ireo no tsy misitraka ireo tombontsoa ao amin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Koa nandritra ny roa andro tao amin’ny FJKM Ambalavao Fahazavana dia nohazavain’Andriamatoa Rasoanaivo Didier talen’ny Fenitra sy ny fikarohana eo anivon’ny CNaPS foibe sy ny ekipany ny dingana arahina rehefa handray mpiasa, ny fifanarahana arak’asa, ny lalàna mifehy ny asa, ny andraikitry ny mpampiasa toy ny  fanaovana fanambarana filazan-karama, ny fomba famenoana izany, ny fanaovana fangatahana fanampiana. Fa ankoatr’ireo dia nampahafantarina bebe kokoa tamin’ireo mpandray anjara ihany koa ny lalàna fototra mifehy ny fiahiana ara-tsosialy, ny tahan’ny latsakemboka aloa, ireo karazana tolotra omen’ny CNaPS: ao ny fiahiana ny fiainam- pianakaviana, ny fitantanana ny loza am-panatanterahana ny asa, na eny an-dàlana mamonjy toeram-piasana na rehefa misy loza, na ny loza vokatry ny asa natao satria misy ny fanonerana ny lany rehetra raha sanatria miseho izany ary ny be mpahalala dia ny fisotroan-dronono. Fantatra nandritra ny atrikasa tao Fianarantsoa fa afaka misitraka ny fanampiana ao amin’ny CNaPS avokoa ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina fa tsy anavahana sokajin’olona velively ny fiahiana ara-tsosialy. Aorian’ny atrikasa dia hanana fomba fijery ombam-piniavana ireo mpiofana avy amin’ny FJKM mba hampandrosoana ny ara-tsosialin’ny mpiasam-piangonana. Vonona rahateo ireo mpandray anjara amin’ny fampiharana ireo rehetra azony satria dia mahakasika mivantana ny fiainany sy ny fianakaviany izany. Hentitra amin’ny fanaraha-maso izany ny foibe FJKM  satria ny « maha-olona mihitsy no voahitsakitsaka raha misy fahaverezan-jo » araka ny nambaran’ny sekretera jeneraly izay tonga tany Fianarantsoa. Synodam-paritany faha-7 nahazo ny fiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy Matsiatra Ambony sy Ambalavao Tsienimparihy.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT