FIANGONAN’NY FINOANA

Hanoro hevitra sy hivavaka ho an’ny vehivavy


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Betsaka ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana misedra olana amin’izao.

Ankoatra ny ditram-bady sy ny ditran-janaka dia tsy lazaina intsony ny olana ateraky ny tsy fananan’asa, ny tsy fahampian’ny vola miditra ao an-tokantrano,….Misy mihitsy ireo lasa mamoy fo vokatr’izany nefa tsy manan-kitarainana. Misy ihany koa ireo milamina ara-bola sy ara-pitiavana ihany saingy tsy mahazo zaza hany ka maty henjiky ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Santionany fotsiny ireo voalaza ireo fa samy manana ny ady hatrehiny ny tsirairay. Hanoro hevitra sy hivavaka ho azy ireny ny Fiangonan’ny Finoana, tarihin’ny Pastera Aintsoa Razafimandranto mivady. Hisy ny fotoana miavaka natokany ho an’ny vehivavy afaka rahampitso Sabotsy 07 Desambra manomboka amin’ny 09 ora sy sasany maraina etsy amin’ny Roxy Antaninarenina. “Zakanao io, vitanao io, hioharanao io!” io no loha-hevitra hampitondraina ny hetsika. Tanjona raha araka ny fanazavan’ny Pastera Sandra Razafimandranto dia ny mba hahafahana manampy sy manohana ny vehivavy amin’ireo karazana ady hatrehiny hahatonga azy ireo ho vehivavy mahery miaraka amin’Andriamanitra fa tsy sanatria hivary lavo amin’ny fiainana. Tsy hanavahana finoana ity hetsika ity.
Pati
Legende : Pastera Sandra Razafimandranto eo afovoany, hitarika ny fotoana amin’io Sabotsy io !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT