Finoana

Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara Hikarakara hetsika hihaonan’ny fiarahamonina


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Etsy amin’ny tanàna Voahary Andohatapenaka ny 1 ka hatramin’ny 3 novambra izao no hikarakaran-dry zareo avy eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny andiany voalohany amin’ny hetsika antsoina hoe « Haona fi ».

 

 

 

Araka ny fanazavan’ny mpikarakara ny hetsika dia fotoana iray natao hampihaonana ny fiarahamonina izy io, indrindra, ireo mpianakavin’ny finoana FJKM. Ny teny hoe « Haona » no miantso izay fihaonana izay ny teny hoe « Fi » kosa dia mira kanto sy tsara kanefa koa midika fitoriana ny filazantsara, fitiliana ireo aretina toy ny diabeta sy tosidra izay arahana toromarik’ireo mpitsabo. Fotoana fijoroana vavolombelona koa anefa io, hoy izy ireo, araka ilay teny filamatra hoe « Vontosy filazantsara ny nosy Madagasikara ! ». Maro ireo kojakojan-dakozia sy sakafo ho hita eny an-toerana. Hisy vokatry ny tany hafa koa anefa. Eo koa ireo mifanaraka amin’ny teknolojia, toy ny informatika sy hafa marobe. Tranoheva miisa 200 no antenaina handray anjara ary mpitsidika manodidina ny 10.000 no andrasana, hoy hatrany ny mpikarakara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT