Finoana

Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara Hanomboka hankalaza ny herinandron’ny fianakaviana


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Nataon’ny Foibe FJKM sy ny Fiangonan’I Jesoa Kristy ho zava-dehibe manomboka amin’ity taona ity ny fisian’ny atao hoe “Herinandron’ny fianakaviana”,

 raha ny fampahafantaran’izy ireo tetsy amin’ny FJKM Ambatonakanga omaly. Ny fiainan’ny FJKM dia misy ny hoe “Herinandro masina” izay iarahan’ny Kristianina mivavaka mialohan’ny Paska. Misy ny atao hoe “herinandron’ny fanahy masina” mialohan’ny Pentekosta ary misy ny atao hoe “Herinandro sambatra” izay iarahan’ny Kristianina mivavaka mialohan’ny Krismasy. Hanomboka hankalaza ny atao hoe “Herinandron’ny fianakaviana” kosa ny FJKM amin’ity taona ity. Iaraha-mivavaka mandritry ny herinandro io hibanjinana izay hikoloina izany fiainam-pianakaviana izany. Eo ny fiainan’ny mpivady, ny ray aman-dreny sy zanaka, ny mpiray tampoho mba hitodika sy hiverina amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Hanomboka ny 14 febroary izao izany herinandron’ny fianakaviana izany ary hifarana ny Alahady. Ankoatr’izay moa dia hiditra amin’ny andiany fahatelo koa ankehitriny ny hetsika antsoina hoe “Vontom-pitia” izay hiresahana izany lohahevitra momba ny fiainam-pianakaviana sy mpifankatia izany. Samy mangetaheta fitiavana sy maniry ho vontom-pitia avokoa ny olona rehetra. Nomen’Andriamanitra izany fitiavana izany isika rehetra. Vitsy anefa ny tena mahay mitia rehefa toloran’ny mpahary izany. Noraisin’ny FJKM ho adidy, noho izany, ny fanatanterahana fanompoam-pivavahana mandritry ny herinandro na ilay herinandron’ny fianakaviana ny 14 hatramin’ny 20 febroary. Isan’andro koa mandritr’izay fotoana izay dia antsoina hiara-kiombona amin’ny fampianarana sy famelabelaran-kevitra miampy hetsika ary lalao samihafa ao anatin’ilay hoe “Vontom-pitia”, izay ho tanterahana mandritry ny 4 andro ao amin’ny katedraly Analakely ary ho faranana ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga ny rehetra, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende: Tetsy amin’ny FJKM Ambatonakanga omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT