Tsy fikendrena hamely na iza na iza na handranitra izany saingy toe-javatra anankiray tsy azo sarahina amin’ny fiarahamonina eo amin’ny fiainana andavanandro intsony ny firoboroboan’ireo karazam-pivavahana. Karazam-pivavahana, hoy aho, satria fantatsika ny lalàna mbola manankery hatramin’izao fa manavaka mihitsy ny atao hoe Fiangonana (Eglise) sy ny atao hoe ‘’fikambanana ara-pivavahana’’ ( association cultuelle)
Eto amintsika dia mbola vitsy dia vitsy ireo manana statut amin’ny antsoina hoe Fiangonana na « Eglise Institutionnelle » , fa ireo karazam-pivavahana hitantsika rehetra ireo amin’ny ankamaroany dia mbola fikambanana ara-pivavahana avokoa. Ny mampiavaka ireo ara-drafitra sy fitondrana dia izao : Ny Fiangonana mijoro ara-dalàna ao anaty firenena (Eglise Institutionnelle ) dia manana ny foto-dalàny (Constitution) sy ny rafitra mahaleotena manoloana ny fanjakana, mitondra azy. Ny fikambanana ara-pivavahana kosa dia ny filankevi-pitondrana no mitondra azy sy misolotena azy eo anatrehan’ny fanjakana. Tsara ho fantatra izay ! Fa ny tena zava-dehibe dia ny ahaizana manavaka ireo karazam-pivavahana samihafa ka ahalalana mazava ny ‘’vary’’ sy ny ‘’tsiparifary’’. Tena ara-tsoratra Masina ny fandinihana sy ny fahaiza-manavaka ireny mba tsy ho diso lalana isika ka « hanao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana’’. Diniho ny IJaona 4 : 1,2. Firifiry moa izao ny fianakaviana tafasaraka fa lasa any amin’ny fiangonana iray ny zanaka na vady ao an-trano, tsy mifamangy fahoriana ny sasany noho ny fivavahana arahiny, tsy navela hanatrika ny mariazin’ny zanany ny ray aman-dreniny fa hoe ‘’devoly’’... Tsy noforonina ireny fa tena zava-misy koa andeha isika hiara-mamantatra izay tena Fiangonana zandriny tokoa izany hoe niorina tato aorian’ireo Fiangonana ara-tantara sy ireo karazana sectes ‘’manjono anaty koveta’’ka ny efa miorina any amin’ny Fiangonana no tena ankafiziny ny fanjonoana azy ka tsy ny Fiangonana ihany no nialany fa ny fianakaviany koa. Misy aza mandao ny ankohonany sy ny asa fivelomany ka nivarina tany amin’ny fahantrana ny fianakaviany. Ireo famantarana fa mety ho antokom-pivavahana manahirana hitondra any amin’ny làlan-diso izy ireny :
1) Mamorona anarana hafahafa tsy dia fandre na iniana ampifanarahana amin’izay toe-javatra malaza eo an-tanàna. Tsy mila hotsaraina izy ireny fa vakiana fotsiny, hoy ny tanora ankehitrio fa te hisintona mafy ny mpiara-belona hanaraka azy izy ireny ary ny tanora dia anaovany paikady manokana mihitsy. Oh : tany amin’ny tanàna anankiray teto Madagasikara tamin’ny fotoana tena nampalaza sy nampafana ny dihy ‘’kilalaky’’dia nisy antokom-pivavahana kely, nivory tao an-tranom-pokontany nantsoina hoe ‘’Fiangonana Kilalaky masina’’, dia gaga ny olon-dehibe tao an-tanàna fa tsy misy hita ny ankizy rehefa sabotsy hariva ka dia nantontany hoe :’’fa mankaiza daholo ianareo rehefa sabotsy ‘’. Mazava ny valiny : mandihy kilalaly atsy amin’ilay fiangonana atsy .’’Mahatsikaiky nefa manaitra ny saina handinika tsara hoe : Ara-tsoratra Masina ve izany ? Moa mitondra inona ho an’ny ankizy sy ny tanora izany ? Tsy mitsara ny dihy kilalaky ho dihy manao ahoana fa eo amin’ny lafiny fivavahana izay tsorina fa ny tena fivavahana marina dia mitady izay hahasoa sy hahatsara ny olona manontolo. Inona marina no tena zava-kendrena ? Ny hampivavaka ve sa ny hampandihy dihy malaza ny olona ?
|
Manangana olona ho mpitarika tsy azo iadian-kevitra ka izay lazainy dia mitovy amin’ny baiboly. Hoy ny Soratra Masina : ‘’Fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny lalako ny teninao’’ : Salamo 119 /105. Ny Fiangonana manaraka ny fenitra dia ‘tarihin’ny Tenin’Andriamanitra ‘’ fa tsy hoe ‘’manamarina ny heviny amin’ny Tenin’Andriamanitra’’. Ny tena mpivavaka dia tsy mihinana am-bolony na hoe mitango izay hevitra tiany anaty Baiboly fa mandalina satria mazava izay lazain’ny Soratra Masina hoe : Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina (Salamo 119 :30) |
. Tsy miankina amin’olona iray na vitsivitsy ny famoahan-kevitry ny Soratra Masina ka ilazana fa izay lazainy dia marina tsy azo iadian-kevitra fa tena miankina amin’ny fitarihan’ny Tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ny Fananganana olona iray na vitsivitsy ho fiankinana amin’ny resaka finoana dia miteraka fisalasalana eo amin’izay maha marina tokoa ny finoana sy ny fomban’ny fiangonana iray. Ny fivavahana nanangana mpitarika tsy toherin-teny (gourou) dia nivarina vetivety foana tany amin’ny làlan-diso ka mety hampidi-doza ny finoan’ny hafa. Diniho izay ambaran’ny Soratra Masina hoe : “fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ ny olona fotsiny ihany fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra ; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.”(2Petera 1 :20 ,21)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.