FIANGONANA ZANDRINY – FAHAGAGANA

Tena mila fahendrena hoy Pastera Heritiana


  • Talata 09 Aprily 2024

Niteraka resabe teto amintsika efa ho herinandro mahery izao ny fisian’ilay horonan-tsary mihetsika tao anaty

tambajotran-tserasera Facebook mikasika ny fisian’ny fiangonana zandriny iray izay namadika ny taovam-pananahan’ny zaza mbola tao an-kibon-dReniny. Saika nihandronan’ny rihitra avokoa ny fiangonana zandriny rehetra nanoloana izany raha tsy lazaina intsony ny fanenjehana sy ny faniratsiran’ny sasany an’Andriamanitra. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany Pastera Heritiana Randriarimalala ka nambarany nandritra izany fa tena misy ny fahagagana ary hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Efa niaina izany ny fiangonana misy ahy hoy izy ka efa hitako avokoa ny jamba nahiratra sy ny moana niteny…Ny indro tamin’ireny tranga ireny hoy hatrany ity Pastera iray ity dia ny fahendrena no tsy ampy. Tokony nandrasana teraka ilay zaza hoy izy vao navoaka ilay horonan-tsary mihetsika. Nomarihiny manokana moa fa tokony haka tari-dalana aman’ireo Raiamandreny zoky Pastera ihany ireo Pastera mbola zandriny ankehitriny. Mikasika ireo faniratsira an’Andriamanitra indray dia nanentana ireo manao izany ny tenany mba hahay handanjalanja ihany. Raha tena Andriamanitra mantsy hoy izy no hivavahan’ny olona iray dia Andriamanitra mivantana no hiady amin’ilay mpaniratsira iny ka ilana fitandremana ihany.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT