Finoana

Fiangonana vahao ny oloko Notokanana omaly ny fotoam-bavaka eny amin’ny By pass


  • Alakamisy 07 Oktobra 2021

Na dia efa herin-taona ny nisiana aza ilay toeram-pivavahana vaovao an’ny fiangonana Vahao ny oloko etsy amin’ny By pass dia omaly vao notokanana ny fotoam-bavaka hotanterahina ao amin’izany.

 Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra no nanokafana izany notarihin’ny pastera Heritiana Randriarimalala. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa niainga tamin’ny tsy nisy izy ireo tamin’ny fananganana ity foto-drafitrasa ity. Tena manana ny kajiny Andriamanitra hoy izy ary tsy azo ferana amin’izany. Hisy tsy tapaka araka izany ny fotoam-bavaka eny an-toerana. Ankoatra izay dia hisokatra ho an’ny mpino rehetra tsy an-kanavaka ihany koa ilay centre de loisir ao an-toerana. Tanjona raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana ny hanalana ireo mpino tsy hiaroaro amin’ireo mbola mihosona anaty fahotana toy ny fisotroan-toaka…. rehefa miala voly.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT