Finoana

Fiangonana vahao ny oloko Nivavaka ho an’ny firenena, miantso ny olona hifidy


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Nivavaka ho an’ny firenena sady nizara fahasoavana tamin’ny mpiara-belona tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy lasa teo ny trano fivavahana Vahao ny oloko, notarihin’ny pasitera Heritiana.

 

 

 

 

Fotoam-pivavahana fanin’efany tamin’ity taona 2018 ity io notontosaina izay ireo  io raha teny amin’ny Coliseum avokoa no nanatanterahana ireo telo lehibe teo aloha. Nasain’izy ireo tamin’izany avokoa ireo kandida miisa 36 nilatsaka tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo mba hizarany fahasoavana saingy tsy nisy tonga noho ny antony maro samihafa. Marobe kosa ireo olona tonga teny an-toerana namaly ny antson’izy ireo. Mila an’Andriamanitra ny Malagasy, hoy pastera Andry Rajaonarivo, indrindra raha handatsa-bato amin’ny datin’ny 19 desambra mba hananan’izy ireny fahendrena sy tolo-tsaina eo am-pandrotsahana izay vaton’ny kandida tokony harotsany. Na izany aza anefa dia tsy nanome toromarika manokana ireo mpino kosa izy ireo fa manentana ny olona mba hifidy ary handatsa-bato ho an’izay kandida tiany sy handrian’ny fony. Ho an’izay kandida mikasa ny hangataka fiaraha-miasa amin’izy ireo moa dia nomarihin’ity pastera ity fa vavaka sy tso-drano no azo omena azy ireny mba hahombiazany.

 

 Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT