Finoana

Fiangonana vahao ny oloko Manatanteraka kongresy hidirana anaty fahamatorana


  • Talata 30 Aogositra 2022

Manatanteraka kongresy na fihaonam-be etsy amin’ny trano fivavahana Vahao ny oloko etsy amin’ny By pass avokoa nanomboka omaly ireo pastera eo anivon’ity fiangonana ity manerana ny Nosy.

Anisan’ny hiompanan’ny dinika hifanaovana mandritra izany raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny fiangonana ny hahafahana miditra lalindalina kokoa ao anatin’ny fahamatorana. Lohalaharana amin’izany ny fitantanana ny fiangonana nefa eo ihany koa ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra. Somary nisinisy ihany mantsy ireo fiangonana nanana olana teto amintsika tato ho ato. Izany indrindra no nanosika ny trano fivavahana Vahao ny oloko hifanofana sy hifampianatra ary indrindra hifampizara traikefa eo amin’ny samy izy ireo hisorohana ny olana mety hitranga. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanokafana ny fotoana. Nandritra izany ihany koa no nanavaozan’ireo mpitandrina isanisany ny fanoloran-tenany teo anatrehan’Andriamanitra mba hisy hainga vao vaovao indray eo am-panatanterahana ny asany. Haharitra andro vitsivitsy moa ity kongresy ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT