FIANGONANA VAHAO NY OLOKO

Hampifoha an’i Madagasikara


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Hampifoha ara-panahy an’i Madagasikara ny Fiangonana Vahao ny Oloko, tarihin’ny Pastera Hery Tiana Randriarimalala.

Ezahin’izy ireo ny hametraka fiangonana isaky ny kaominina manomboka izao hahafahana manatanteraka izany. Nivoitra izany nandritra ny kongresy tanterahin’ity fiangonana ity eny amin’ny sampana misy azy eny amin’ny By Pass nanomboka afak’omaly Alatsinainy 19 Aogositra. Niditra tamin’ny andro faharoa izy ireo omaly Talata ka anisan’ny nohamafisin’ny Pastera Hery Tiana ihany koa ny fanofanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny fiangonana mba hivoatra manaraka ny toetr’andro ny fomba fiasan’izy ireo nefa koa mifanaraka hatrany amin’ny tenin’Andriamanitra. Mikasika ilay Grand defi hotanterahin’ny Fiangonana amin’ny Sabotsy 24 Aogositra ho avy izao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe moa dia nambarany fa ny hampahafantarana ny olona ny herin’ny fivavahana no tena tanjona ka tsy hitenitenenan’ny sasany foana tahaka ny hoe : ny fivavahana tsy azo hanina….
Pati
Legende : Pastera Hery Tiana Randriarimalala, nitarika ny kongresy omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT