Finoana

Fiangonana Vahao ny Oloko Hamolavola ny olony ho tompon’andraikitra kokoa


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Tontosa ny sabotsy teo teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ilay fotoam-pivavahana lehibe notanterahin’ireo mpino eo anivon’ny fiangonana Vahao ny Oloko

 manerana ny Nosy sy ireo avy any ivelany. Fihaonana izay nampirisihina ny mpino mba handrava sakana sy handeha lavitra amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra, hoy ny pastera Andry Rajaonarisoa mpandrindra eo anivon’ny fiangonana sady nanatanterahan’ny fiangonana ny kongresy nasionaliny ihany koa izay nifarana omaly. Tanjon’izy ireo  ny hamolavolana ireo solontenan’ny fiangonana eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika mipaka hatreny amin’ny  Faritra hahafahana manoro azy ireo ny asa tokony hataony mandrapahatonga ny fifaranan’ny taona 2017 sy ny taona vaovao  2018. Nomarihin’ny pastera Andry manokana fa tsy mieritreritra ny hifaninana amin’ny fiangonana namana hafa izy ireo raha nanao izao hetsika izao satria efa nangataka ny kianjaben’i  Mahamasina fa tsy nahazo. Miisa 3.200 ny fiangonana Vahao ny Oloko manerana ny ary 800 ny mpitandrina.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT