Finoana

Fiangonana sy ny Fikambanana Krisitiana Hanatanteraka ny “Voa tsara miendrika ny fibebahana”


  • Alakamisy 09 Aprily 2020

Nampahafantarina tetsy amin’ny Sekoly ESM tetsy Ampandrana omaly ny hetsika Voa tsara miendrika fibebahana. Antso ho amin’ny fibebahana ka iarahana amin’ny Fiangonana sy ny Fikambanana Kristiana samihafa.

 

 

Efa notontosaina tamin’ny alalan’ny fandaharana izay mandeha amin’ny haino aman-jery isan’andro izay nanomboka tamin’ny Alahady 29 martsa moa izany ary hifarana ny Alahady 12 Aprily ho avy izao. Ao anatin’izany anefa dia nanentana ireo mpikarakara ny hanamafisana ny fiombonana isam-pianakaviana mba hahamafy orina ny fifankatiavana sy ny fifandraisana ao amin’i Jesosy ilay Lohan’ny Fiangonana. Tokony hisy hoy izy ireo ny fifamelan-keloka ary tokony tsy hijanona intsony ny fiaraha-mivavaka isan-tokantrano indrindra amin’izao fitohizan’ny fihibohana izao. Ankoatr’izay dia manao antso avo ho an’ny Kristiana isam-batan’olona, ny Fiangonana sy Fikambanana Kristiana hanokana ny zoma masina 10 Aprily ho avy izao ho amin’ny fifadian-kanina.Ho voizina mandritra ny Paska ny fandresena ny valan’aretina, ny tsy finoana, ny tahotra, ny faharavan’ny fianakaviana sy ny tontolo iainana ary ny fahafatesana. Tanjona ihany koa ny hialàna amin’ny fisaratsarahana sy fitokotokoana, ny fitiavam-bola sy fitiavan-tena ary ny handresena ny paik’adin’ny satana rehetra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT