Finoana

Fiangonana sy firenena Potiky ny resa-bola sy fifampihatsaram-belatsihy


  • Zoma 16 Martsa 2018

Matetika no andrenesana fifanandrinana sy tsy fifankahazoan’ny samy mpiangona amina fiangonana samihafa eto amintsika. Noho ny resa-bola amin’ny ankapobeny no miteraka izany.

Tsy iray na roa no ahitana an’io fa tena maro. Fahita ny hoe tsy milamina ny kaonty dia misavoritaka ny rehetra. Mandeha ihany koa ny resaka fifanindriana eo amin’ny samy olon’ny fiangonana. Ekena hoe fifaninanana masina hoenti-manatanteraka ny asan’Andriamanitra, saingy indraindray dia efa tena mivaona sy natao hifampideran-karena mihitsy, ka izay no miteraka fivakisana matetika. Ny fiangonana anefa ity hoe hitondra ny anjara birikiny amin’ny fandaminana ny firenena. Tsy hoe ny mpitandrina na ny mpitarika angamba no tsy mahavita ny asany, fa ny olona mihitsy no efa mihasimba noho ny resa-bola aman-karena. Miainga any amin’ny fiangonana isan-tsokajiny anefa ny fampianarana ny olona tsy ho olon’ny mpandala ny foto-pinoana hitaizana azy fotsiny, fa ho olom-banona sy ho olom-pirenena, ary indrindra ho olon’ny fihavanana. Raha hampiditra resa-politika sy ny mpanao politika isika, dia ny ankamaroany angamba samy miditra any am-piangonana misy azy tsirairay avy any avokoa. Samy mandray sy mihaino ny filazantsara, saingy indrisy fa mbola ny adilahy no manjaka sy mibaiko rehefa mivoaka eo. Lojika raha tsy mety milamina ny firenena satria hatrany am-piangonana aza efa mifandrafy. Mila fahatongavan-tsaina haingana dia haingana !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT