Finoana

Fiangonana Shine “Vavaka ihany no hanavotra ny firenena”


  • Zoma 28 Desambra 2018

Amin’ny sabotsy 29 desambra ho avy izao ny fotoana iarahana amin’ny fiangonana Shine etsy amin’ny Dôme Ankorondrano amin’ny 2 ora sy sasany. Tsy misy ny vidim-pidirana ary misy ny lohahevitra izay mitondra ny lohateny hoe “alaivo ny fitahiana ho anao”.

 

 

 

 Nofidiana manokana ity fotoana ity noho izao vanimpotoana mamaivay eto amin’ny firenena izao hamahana ireo karazana olana mety hisy na amin’ny isam-batan’olona aza. Fotoana handraisam-pitahiana sy fanasitranana hikasihan’Andriamanitra ny tsirairay io fotoana io hoy  ny Pastora Alberto Ramelijaona. Hisy ny fotoam-piderana miavaka hiarahana amin’ny tanoran’ny Shine sy ny Antsa an’i Kristy. Tokony tsy handingana ny taona 2019 intsony ny ady sy ny olana maro samy hafa satria manankarem-pahasoavana ny Tompo ka fotoana fanafahana izao hoy hatrany Pasitera. Nanentana ny Kristianina ihany koa izy hitondra am-bavaka hatrany ny firenena amin’izao fisavorovoroana misy hiandrasana ny voka-pifidianana tena izy izao satria izany ihany no lalam-panavotana ny firenena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT