Finoana

Fiangonana Shine Tsy manohana kandida ho filoham-pirenena


  • Zoma 14 Septambra 2018

Toy ny fanaony isan-taona dia hikarakara ilay hetsika antsoina hoe 7 alahady indray ry zareo avy eo anivon’ny fiangonana ara-pilazantsara Shine.

 

 

Ny alahady 16 - 28 septambra moa izany, raha ny fanazavana tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina. Hotontosaina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina izy io, ho an’Antananarivo. Ny 23 septambra kosa ho an’ny any amin’ny faritra. Hanehoana fa mbola miasa Andriamanitra no tanjona, hoy izy ireo, ary hisy fahagagana sy fijoroana vavolombelona hanehoana izany. Mikasika ny filazana fa misy kandida ho filoham-pirenena tohanan’ireo fiangonana zandriny moa dia nanambara ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ity fiangonana ity fa tsy manana kandida tohanana raha ny fiangonana Shine manokana. Manabe ny olona hifidy izahay, hoy ny Pasitera Patrick Andrianarivo, saingy tsy miditra amin’ny resaka politika kosa ny fiangonana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT