Finoana

FIANGONANA SHINE Hanatontosa hetsika hankalazana ny faha-10 taona niorenany


  • Alarobia 19 Novambra 2014

Ny taona 2004 no nipoitra ny fiangonana Shine. Ity taona 2014 ity no hankalazan’izy ireo ny tsingerin-taona faha-10 niorenany.

. Hetsika maro sosona no hanokafan’izy ireo izany hanomboka rahampitso alakamisy ka hatramin’ny alahady ho avy izao. Hisantarana izany ny  kaonferansa lehibe izay nampitondrainy ny lohateny hoe ”Ny fahatokiana sy ny fahaiza-mandroso”, isa-maraina manomboka 8 ora sy sasany. Vahiny avy  any ampitan-dranomasina maro no ho avy hanatrika ny fotoana ankoatra ireo avy any amin’ny faritany. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ilay hetsika goavana hatao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Tsy misy ny  vidim-pidirana saingy  ilaina ny fananana karatra fidirana. Fomba roa no hahazoana izany toy ny amin’ny alalan’ny tranonkalan’ny fiangonana na koa ny fandraisana izany eny an-toerana amin’ny fotoana hanaovana ny hetsika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT