Fiangonana Shine

> Hanao fahagagana etsy Antsahamanitra


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013


Tahaka ny fanaony isan-taona dia hamarana ilay hetsika “Fito alahady” ny ao amin’ny Fiangonana Shine ny zoma 01 ka hatramin’ny alahady 03 novambra ho avy izao etsy Antsahamanitra. Lohahevitra nosafidiana manokana ho amin’izany ny “Telo andro fandraisana hery ho amin’ny fiovana mahagaga”. Betsaka ireo zavatra mety mahay manova zavatra eto ambonin’ny tany saingy Andriamanitra irery ihany no afaka manao fiovana mahagaga eo amin’ny fiainan’ny olona, hoy ny mpitarika. Havoitra ao fa tsy misy fetra ny zavatra hain’Andriamanitra atao eo amin’ny fiainan’ny olombelona na famindram-po io na fitiavana na ny fitahiana ... Hanafana io hetsika ao Antsahamanitra io miaraka amin’ny mpihira ao amin’ny Fiangonana Shine i Dayvide sy ny Antsa an’i Kristy.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT